Septambra 2026
Hetsika rehetra ho avy
9 andro misy hetsika
AsabotsyAnio
Asabotsy 05 Septambra 2026
Voka-dehibe Ambohibemanjaka
πAlahady
Alahady 06 Septambra 2026
Voka-dehibe Ambohibemanjaka / Alahadin'ny Mpanompo Ambohimanambola
πAlahady
Alahady 13 Septambra 2026
Alahadin'ny Mpanompo Tsiafakakoho
πZoma
Zoma 18 Septambra 2026
Isan-kerintaona Mahavoky Besarety
πAsabotsy
Asabotsy 19 Septambra 2026
Isan-kerintaona Mahavoky Besarety
πAlahady
Alahady 20 Septambra 2026
Isan-kerintaona Mahavoky Besarety
πZoma
Zoma 25 Septambra 2026
Isan-kerintaona Ambatoroka
πAsabotsy
Asabotsy 26 Septambra 2026
Isan-kerintaona Ambatoroka
πAlahady
Alahady 27 Septambra 2026
Isan-kerintaona Ambatoroka
πVatsy ho anao
Zoma 04 Septambra 2026
"Jehovah naneho tamiko, ka, indreo, nisy aviavy roa sobiky voapetraka teo anoloan'ny tempolin'i Jehovah, taorian'ny nitondran'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin'ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babylona. Ny sobiky iray dia nisy aviavy tsara dia tsara, dia toy ny aviavy mialin-taona; ary ny sobiky anankiray kosa dia nisy aviavy ratsy dia ratsy, izay tsy azo hanina noho ny haratsiny. Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Jeremia? Ary hoy izaho: Aviavy; koa ny tsara moa dia tsara tokoa, ary ny ratsy kosa dia ratsy tokoa ka tsy azo hanina noho ny haratsiny. Ary tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tahaka ireto aviavy tsara ireto no fijeriko ny Joda voababo mba hanasoavako azy, dia ireo noroahiko niala tamin'ity tany ity ho any amin'ny tanin'ny Kaldeana."
Jer.24:1-5
Asabotsy 05 Septambra 2026
Anio"Fa hojeren'ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin'ity tany ity; ary haoriko izy, ka tsy horavako; ary hamboleko izy, fa tsy hongotako. Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina amiko amin'ny fony rehetra izy. Ary ny amin'ny aviavy ratsy izay tsy azo hanina kosa noho ny haratsiny, dia izao no lazain'i Jehovah: Toy izany no hanolorako an'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka ary izay sisa any Jerosalema, dia izay mbola sisa amin'ity tany ity sy izay mitoetra any amin'ny tany Egypta, eny, hatolotro ho mpanjenjena sy fiharan-doza any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany izy, ho fandatsa sy ohabolana sy ambentinteny ary fanozonana any amin'ny tany rehetra izay handroahako azy. Ary hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ambara-pahalany ritrany tsy ho amin'ny tany izay nomeko azy sy ny razany."
Jer.24:6-10
Alahady 06 Septambra 2026
Jer.24:1-10
Mat.13:47-50
Apok.7:1-17